<?xml version="1.0" encoding="UTF-8"?><song><title>Anao ny dera, ry Zanaky ny Ray FFPM146</title>
<lyrics>[V1]
 (Hira Paska)

[V2]
 Anao ny dera,
 ry Zanaky ny Ray ;
 Anao ny fandresena,
 Ry Mpanjakanay
 Ny fasana nivoha,
 Noho ny herinao
 Ny Anaranao Tsitoha
 Tsy voatana tao.
 Anao ny dera,
 ry Zanaky ny Ray
 Anao ny fandresena,
 Ry Mpanjakanay !

[V3]
 Hianao nandresy,
 lao re ny fasana ;
 Ny fanjakan'ny ota koa
 ho lasana
 Ny herin'i Satana,
 vato nikodia,
 Ny Anaranao nandresy
 Haharitra doria,
 Anao ny dera,
 ry Zanaky ny Ray
 Anao ny fandresena,
 Ry Mpanjakanay !

[V4]
 He, ravo aho :
 Izy no santatra ;
 Izaho koa hifoha,
 Mba ho sambatra ;
 Ny fandresen'i Jeso,
 Lovako tokoa ;
 Ny Anarany Tsitoha
 Hanangana ahy koa.
 Anao ny dera,
 ry Zanaky ny Ray
 Anao ny fandresena,
 Ry Mpanjakanay !</lyrics>
<hymn_number>146</hymn_number>
<author>G.F. Handel</author>
</song>